NY ZAVA-DEHIBE EFATRA MOMBA
NY FIAINANA ARA-PANAHY
|
|
VOALOHANY |
NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA
«Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very Izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay». Jaona 3:16
NY FIAINANA ATOLONY
I Kristy no miteny hoe: «Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be». Jaona 10:10
Maro anefa ny olona tsy mahafantatra izany fiainana be dia be izany satria...
|
|
FAHAROA MPANOTA NY OLOMBELONA KA TAFASARAKA AMIN' ANDRIAMANITRA, NOHO IZANY DIA TSY FANTANY NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLOTR' ANDRIAMANITRA AZY. |
MPANOTA NY OLOMBELONA
«Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra».
Romana 3:23
Noforonin' Andriamanitra mba hanana fifandraisana mitohy Aminy ny olombelona. Nifidy ny handeha araka ny sitrapony anefa izy; vokatr'izany dia rava ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Na ny fanoherana mivantana an'Andriamanitra, na ny tsy firehana manoloana ny Tenin'Andriamanitra dia samy antsoin'ny Baiboly hoe «fahotana» avokoa.
TAFASARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA NY OLOMBELONA
«Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo» Isaia 59:2a
«Fa fahafatesana (fisarahana ara-panahy amin'Andriamanitra) no tambin'ny ota» Romana 6:23
|
lo sary io dia mampiseho fa masina Andriamanitra ary mpanota ny olombelona. Hantsana lehibe no mampisaraka azy amin'Andriamanitra. Miezaka araka izay saimpantany izy mba hanana fiainana tonga lafatra, mba ho tsara fitondran-tena, ho tsara fanahy sy hanampy ny hafa sns ... Tsy mahafaka ny fahotany anefa izany. |
Ny zava-dehibe fahatelo no manome antsika ny vahaolana amin'izany ...
|
|
FAHATELO I JESO KRISTY IRERY IHANY NO MANAFAKA AMIN'NY FAHOTANA. MATY NOHO NY FAHOTANTSIKA IZY ARY AMIN'NY ALALANY NO AHAZOANTSIKA MAHAFANTATRA SY MIVELONA AMIN'NY FlTIAVAN'ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLONY. |
MATY HAMONJY ANTSIKA IZY ARY NITSANGANA
TAMIN'NY MATY
«Fa i Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika amin'Andriamanitra».
(Petera 3:18)
«Kristy-maty noho ny fahotantsika ... dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina . .. ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy ... » (1 Korintiana 15:3-6)
IZY NO LALANA TOKANA
Hoy i Jeso: «Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.»
(Jaona 14:6)
|
lo sary io dia mampiseho fa Andriamanitra irery no mamerina amintsika ny fifandraisana Aminy. Izany dia nataony tamin'ny alalan'i Jeso Kristy izay maty nisolo voina antsika teo amin'ny hazo fijaliana. |
Tsy ampy anefa ny mahalala ireo zavadehibe telo voalaza ireo fa ...
|
|
FAHEFATRA ISIKA TSIRAIRAY AVY NO TOKONY HANDRAY AN'I JESO KRISTY HO MPAMONJY SY TOMPONTSIKA, AMIN'IZAY DIA HO FANTANTSIKA SADY HIVELOMANTSIKA NY FITIAVAN' ANDRIAMANITRA SY NY FIAINANA ATOLONY ANTSIKA. |
TOKONY HANDRAY AN'I KRISTY
AMIIN'NY ALALAN'NY FINOANA ISIKA
«Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany.»
(Jaona 1:12)
«Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. » (Efesiana 2:8,9)
I Jeso no miteny hoe: «Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana; dia hiditra aò aminy Aho...» Apokalypsy 3:20
| Tsy ampy ny mahalala fotsiny hoe Zanak'Andriamanitra i Jeso Kristy ary maty noho ny fahotantsika. Ny hoe mandray an'i Kristy dia miverina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fibebahana ary mangataka Azy hiditra ao amin'ny fiainantsika. | |||
|
1. Olona mandeha araka
ny sitrapony fotsiny
Any ivelan'ny fiainany i Kristy (na ny †). Raha mandeha dia araka ny sitrapony fotsiny ny olona dia tsy manana ny fiadanan'Andriamanitra. |
|
|
2. Olona manaiky hotapahin' i Kristv:
Ao amin'ny fiainany i Kristy (nany †). Amin'izany dia mandamina ny lafim-piainany rehetra Izy sady manome azy ny fiadanany. |
|
Ny aiza amin'ireo sary ireo no tahaka ny fiainanao?
Ny aiza amin'ireo sary ireo kosa no fiainana irinao hananana? Ny fomba handraisanao an'i Kristy ... |
|||
AZONAO ATAO IZAO NY MANDRAY AN'I KRISTY AMIN'NY ALALAN'NY VAVAKA
(Ny hoe mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra). Tsy ny teny ataonao anefa no zava-dehibe Aminy fa ny toe-ponao.
Afaka mivavaka toy izao ianao:
«Jeso Tompo ô, hatramin'izao dia ny sitrapoko no mibaiko ahy ary nanota taminao aho tamin'izany. Misaotra Anao aho noho ny namelanao ny heloko. Midira ato am-poko lanao ka manapaha ny fiainako manontolo. Ekeko ho Tompoko sy Mpamonjy ahy lanao hatramin'izao. Havaozy ny fiainako mba ho tonga olona araka ny sitraponao aho. Amena.»
Mifanaraka amin'io vavaka io ve ny fanirianao ao am-ponao?
Raha izany dia azonao atao io vavaka io izao ary dia hiditra ao am-ponao araka ny nampanantenainy i Knsty.
NY FOMBA AHAFANTARANAO FA AO ANATINAO TOKOA I KRISTY
Efa noraisinao ao am-ponao ary ve izao i Kristy ? Araka ny fampanantenana nomeny ao amin'ny Apokalypsy 3:20, aiza ary izao i Kristy ? Efa nilaza i Kristy fa hiditra ao amin'ny fiainanao; mety handainga aminao ve Izy? Ahoana no ahalalanao fa namaly ny vavaka nataonao teo Andriamanitra ? (Satria azo itokiana Andriamanitra sy ny Teniny.)
NY BAIBOLY DIA MANAMBARA FA MANANA FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY REHETRA NANDRAY AN'I KRISTY
«Ary izao no fanambarany : fiainana mandrakizay no omen' Andriamanitra antsika ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo izay mino ny anarantny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo» (1 Jaona 5:11-13)
AZA MITOKY AMIN'NY FAHATSAPANAO
Mahatsiaro ho sambatra angamba ianao izao. Amin'ny andro hafa kosa mety halahelo. Miovaova arakaraka ny toe-javatra mitranga eo amin'ny fiainanao koa ny fihetseham-ponao.
Ny Tenin'Andriamanitra no itokiantsika fa tsy ny fihetseham-pontsika.
Tsarovy fa i Jeso dia ao amin'ny fiainanao mandrakariva.
Noho izany, misaora an'Andriamanitra mandrakariva na amin'ny mora na amin'ny sarotra.
REHEFA NORAISINAO AMIN'NY ALALAN'NY FINOANA I JESO KRISTY DIA ZAVATRA MARO NO TANTERAKA AMIN'NY FIAINANAO ARY IRETO NO SASANTSASANY AMIN'IZANY
Heverinao ve fa misy zavatra tsara kokoa noho izany hoe mandray an'i Kristy izany eo amin'ny fiainanao ?
Tianao ve ny hisaotra an'Andriamanitra izao noho izay nataony ho anao ? Raha misaotra Azy ianao dia mampiseho ny finoanao Azy izany.
Aoka ary hivavaka isika ...
NY FITOMBOANA ARA-PANAHY
Ny zaza vao teraka dia tsy mijanona amin'ny maha-zaza azy fa tokony hitombo. Toy izany koa, ny Kristiana tsirairay dia mila mitombo ara-panahy. Indreto misy torohevitra hahatanteraka izany:
NY MAHA ZAVA-DEHIBE NY FIANGONANA
Raha maromaro ny kitay ao am-patana dia mirehitra tsara ny afo. Raha atokana toerana anefa ny kitay anankiray dia mihamaty ny afo aminy. Dia toy izany koa, ho sarotra aminao ny hivelona samy irery ny fiainana kristiana. Zava-dehibe tokoa ny hifaneraseranao amin'olona hafa izay efa nandray an'i. Jeso Kristy ho Tompony sy Mpamonjy azy.
Noho izany, aoka ianao hanatona fiaraha-mivavaka any am-piangonana, dia izay fiangonana anekena fa Tenin'Andriamanitra marina ny Baiboly manontolo ary ankalazana an'i Jeso Kristy. Atombohy amin'ity herinandro ity izany.
«Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.» (Hebreo 10:25)
Raha nahasoa anao ity boky kely ity, dia azonao vakina amin'olonkafa na omena azy.
Ny nanome anao ity bokikely ity dia.
Raha misy fanontaniana ilanao valiny na fiaraha-miasa irlnao momba ny fitoriana ny Filazantsara, dia manorata amin'izao adiresy etsy ambany izao. Ho hitanao ao koa ity bokikely ity.
FIKAMBANAN'NY MPAMAFY
B.P. 922 - ANTANANARIVO 101
MADAGASIKARA
|
ADDITIONAL ASSISTANCE If you've just asked Jesus Christ into your life, please click here and tell us about it. We would love to hear from you and help you grow in your faith. If you still have a question, please click here. |
| © 1995-2001 Campus Crusade for Christ International Questions and Comments are always welcome! http://www.4laws.com/laws/malagasy/default.htm |